<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Jehovah Tompo no itokiako FFPM587</title>
<lyrics>[V1]
 Jehovah Tompo no itokiako,
 Fa mampitombo ny fifaliako,
 Ny fo sy saiko miankina
 aminy ;
 Izay ilaiko omen'ny taniny,
 Ka tena aiko ny toro-heviny.

[V2]
 Ampio aho, Jehovah Tompo
 ô !
 Fa mitalaho izao ny zanakao,
 Omeo hery hitanako ny to,
 Mba tsy ho very ny rakitra
 ao am-po ;
 Hianao irery no iankinako.

[V3]
 Ry Kristy Tompo, mba
 mamonje anay
 Mba ho mpanompo mazoto
 izahay,
 Mpiasa tsara ankasitrahanao,
 Izay manambara ny fitiavanao
 Ka hiafara eo anatrehanao.</lyrics>
<hymn_number>587</hymn_number>
</song>